Lasa ny vola mitentina 600.000 ariary sy ny finday iray mba fampiasany. Tsy vitan’izay fa mbola voavelin’ny vy « barre à pince » ihany koa ny lohany. Izany no nitranga teny Ambohidratrimo ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Nidiran’ireo jiolahy tao amin’ny toeram-pivarotana rehefa nopitsohany tamin’ny vy. Rehefa tafiditra tao anatiny izy ireo ka hitan’ny tompon’ny tsena, dia mba niezaka niaro ny tenany sy ny fananany io farany. Saingy vely vy teny amin’ny lohany no valin’izany. Naratra mafy io farany ary voatery nentina faran’izay haingana teny amin’ny hopitaly Loteriana teny Ambohibao, mba ho fanavotana ny ainy. Ny tsikaritra dia manodidina ny enin-dahy eo hatrany no tompon’antoka amin’ny fanafihan-jiolahy eto amin’ny manodidina an’Antananarivo. Mitovitovy ihany koa ny fisehoan’ny asaratsy ary matetika dia ny mpivarotra hatrany no tena lasibatra tato ho ato. Na izany eo am-panidiana tsena amin’ny hariva na koa izany hanaovana latsak’alina. Miakatra mianavaratra izany ireo olon-dratsy satria ny faramparany teo dia Ivato no nahita faisana. Izao miakatra mankany Ambohidratrimo, rehefa avy nikisaka kely teny Ankadikely iny. Toa ny efa manana drafitr’asa mipetrapetraka tsara izy ireo satria tsy maintsy mahazo vola hatrany isaky ny manatontosa ny asaratsiny. Mbola baraingo mipetraka hatrany ny hoe avy aiza no hahazoan’ireo olon-dratsy basy. Indraindray aza mantsy dia tafiakatra efatra ny basy PA ampiasain’ny olona enina. Tsy misy azon’ny olona hatao ankoatry ny manaraka ny baikony mba ho fiarovana ny aina. Mila ampiana ny fisafoana any amin’ny toerana ivelan’Antananarivo satria efa iaraha-mahita fa mihitatra mizotra mankany indray ny fanafihana tao anatin’ny herinandro maromaro izay.
D.R