- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Mpivarotra voatafika, voatifitra ny tompon-trano

Ambohidratrimo : Mpivarotra voatafika, voatifitra ny tompon-trano

Voatifitra teo amin’ny tongony, tsy afa-nanohitra intsony ity raim-pianakaviana, tompona fivarotan-kazo etsy Ambohidratrimo, fa dia nanome izay notadiavin’ireo olon-dratsy. Lasa ny vola.

Saika hoe isan’andro dia ahenoana trangana tsy fandriampahelamana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Raha fanafihana mitam-piadiana no miseho amin’ny antoandro be nanahary, tetsy Ambanidia (jereo lahatsoratra etsy an-kila), dia amin’ny misasak’alina kosa ireo sasany no manao ny ataony. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo tokoa mantsy, dia tokantranona mpivarotra iray indray no lasibatry ny  jiolahy mitam-piadiana, tetsy Anosiasa Ambohidratrimo. Mazava ho azy fa mirongo basy ireto olon-dratsy no nanao amboletra tao amin’ity tanàna ity. Tsy nahasakana azy ireo akory ny fisian’ireo olona niambina an’ilay tanàna, raha ny fampitam-baovao azo. Amin’ny toe-javatra toy izao tokoa, mazàna na mpiray tsikombakomba amin’ireo  mpanafika ireo mpiambina na matahotra ny ainy, ka mandeha miafina sy mamela ireo mpanafika hanao izay danin’ny kibony. Fa tamin’ity indray mitoraka ity, dia tsy fantatra hatreto izay nataon’izy ireo.

Ny feom-by mifampikitrana sy ny korontana tao an-tanàna no nanaitra ilay raim-pianakaviana tompon-trano ka nivoahany nijery izany zavatra izany. Mety ho natoky tanteraka, fa mandry ivohon’ny vato izy ireo amin’ny fisian’ireo mpiambina ka tsy ho olon-dratsy velively no hotafanika ny tanàna. Tsy nampoizina anefa ny zava-niseho, raha tsy efa nandoaka ny hoza-pen’ity tompon-trano ity ny balan’ireo olon-dratsy. Avy hatrany tokoa dia nitifitra izy ireo, raha vao nahita ity farany taitra tamin’ny torimasony. Noho ny ratra nahazo ka tsy nahatafahetsika azy, ary etsy an-danin’izay ny tahotra, dia nanaiky izay rehetra notakian’ireo olon-dratsy izy. Vola an-tapitrisany niaraka tamin’ny entana sarobidy isan-karazany no lasa, raha ny angom-baovao. Rehefa azon’ireo tsy valahara kosa ny zavatra notadiaviny, dia lasa nitsoaka izy ireo. Taorian’io vao tonga ny mpitandro filaminana rehefa niantsoana vonjy. Natao avokoa ny fikarohana sy ny savahao ny manodidina, saingy efa « nanjavona » ireo olon-dratsy. Ny fanadihadiana ataon’ireo zandary sisa no hany hirika mety ahitàna ireto mpanafika ireto. Marihana, fa ny nifantohan’izany voalohany dia ireo olona nokaramaina natao hiambina ilay tanàna, raha ny angom-baovao hatrany. Ilay naratra kosa efa nentina nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici