Tokantrano iray teny amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny no lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Tonga ara-potoana ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana. Roa tamin’ireo olon-dratsy no lavo, tsy afa-manao intsony ny asa ratsiny.
Tokony ho tamin’ny misasak’alina tany ho any, tanàna mifefy iray tao Fidasiana, ao amin’ny fokontany Ambohitsiroa no nidiran’ny jiolahy mirongo fiadiana. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary, dia dimy lahy izy ireo, ary ny iray tamin’izany dia tsy iza fa ny mpiambina an’ilay tanàna ihany. Mazava ho azy, mora tamin’ireto olon-dratsy no niditra tao amin’ity tokantrano iray ity ary avy hatrany dia nanery ny tompon-trano hanome ny vola rehetra tao aminy. Angamba somary nisy fifamaliana teo amin’ny roa tonta na hoe tsy nanaiky mora ny fanafihana ny tananany ity rangahy tompon-trano ka avy hatrany dia nodarohan’ireo mpanafika. Naratra teo amin’ny faritry ny tarehiny izy, hoy hatrany ny vaovao. Araka izany, afaka nanao izay danin’ny kibony ireto olon-dratsy, nibata ireo entana sarobidy tao an-trano, niaraka tamin’ny vola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary teo ho eo, ambonin’ny firavaka volamena azon’izy ireo.
Vetivety ihany, dia nahare ny vaovao ny avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary avy ao Ambohidratrimo ka nidina avy hatrany teny an-toerana, niaraka tamin’ny zandary maromaro notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritra. Raha ny voalaza dia mbola tsy lasa nandositra fa mbola an-toerana ireo mpanani-bohitra nony tonga ireo zandary. Velona teo ny fifandonana. Raha vao nahita ireto mpitandro filaminana mantsy ireo olon-dratsy, tonga dia nitifitra. Voatery namaly tifitra ihany koa tetsy andanin’izay iretsy voalohany. Vokany, nisy roa tamin’ireo olon-dratsy no voan’ny balan’ny mpitandro filaminana ka maty tsy tra-drano, ny ambiny kosa, ireo telolahy naman’izy ireo dia tafatsoaka niaraka tamin’ny vola. Raha ny fanazavàna azo, dia ilay mpiambina isan’ny tompon’antoka tamin’io fanafihana io ny iray tamin’ireo maty. Azo teny am-pelan-tanan’ireto farany moa ny sasantsany tamin’ireo firavaka volamena norobain’izy ireo ary efa naverina tamin’ny tompony.
Tamin’io alina io ihany moa dia efa raikitra ny fanenjehana ireo tafatsoaka sy ny fibahanana sy fisavana ireo làlana rehetra mety ho nandehan’ireo olon-dratsy saingy mbola tafaporitsaka ihany izy ireo raha ny vaovao azo. Mbola nitohy hatramin’ny omaly izany fikarohana izany, teny an-toerana, ary nifanindran-dàlana tamin’izay ny fanadihadiana nataon’ireo zandary teny an-toerana.
m.L