- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilÀ lireAmbohidratrimo - Nisy nandoro ny Rova

Ambohidratrimo – Nisy nandoro ny Rova

Tonga tamin’ny tanjony niriany ihany ireo olon-dratsy. Kila hotohoto afak’omaly alina ny Rovan’Ambohidratrimo, taorian’ireo fahamaizana efa impiry nanambana ity vakoka ity. Mbola maimbo solika fandrehitra teny an-toerana tamin’ny ora nahatongavanay teny.

Tapa-porohana sisa no hany navelan’ny afo. May avokoa ireo trano masina, vita amin’ny hazo teo ambonin’ireo fasana fito miandalana, niafenan’ireo mpanjaka nifandimby teny Ambohidratrimo Marovatana. Araka ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra sy ireo olona nanatri-maso teny an-toerana, dia tokony tamin’ny sivy ora sy sasany tany ho any no nanomboka niredareda ny afo. « Vao nanomboka nidedaka ny lela afo dia tonga teto izahay, ary nanaitra ny manodidina. Teo amin’ny tranomasina afovoany no niainga ny afo, izay tsy tana intsony, noho ny hamafin’ny rivotra tamin’io fotoana io », hoy Atoa Sahaza. Maimbo solika fandrehitra ny iray vohitra tamin’io alina io. Mbola nahitana tavoahangy nisy izany rahateo teny an-toerana raha ny hita hatrany. « Roalahy no hitanay nihaodihaody teo am-bohitra tamin’io fotoana io, talohan’ny nahatongavanay teo. Asa raha mbola saika handoro ilay tranomasina teo ambonin’ny fasanan’ny mpiambina mpanjaka izy ireo no nitsoaka » hoy hatrany ny fanazavana. Nifamonjena ny namono ny afo. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpamonjy voina avy aty Antananarivo nifehy izany. Na dia izany aza, tranomasina iray sisa no hany niangana tamin’ireo fito teo an-toerana. Saika lasa lavenona avokoa ireo ambiny. « Natao fanahy iniana nodorana ity rova ity. Porofon’izany ny fisian’ireo tavoahangy nandrarahana « pétrol ». Noho izany tsy maintsy manokatra fanadihadiana ary efa am-pikarohana ireo nahavanon-doza izahay» hoy ny tompon’andraikitry ny zandary eny an-toerana. « Tsiahivina fa efa imbetsaka ihany ity Rova no nokasain’ireo tsy mataho-tody nodorana, kanefa dia ny manodidina foana tamin’izay no may. Ankehitriny, ireo tranomasina mihitsy no may. Tsy mahasakana ny olona tsy hanome hasina ity toerana ity anefa izany », hoy Rtoa Saholy, tompon’andraikitra voalohany eny an-toerana. Teo anatrehan’izao voina izao dia samy tonga teny an-toerana avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Omaly folakandro kosa no tonga nijery ny zava-misy teny ny Praiministra Lehiben’ny governemanta, nanameloka izao fanimbazimbana ny vakoka isan’ny maha izy azy ny Malagasy izao.

Iza no ao ambadik’izao ? Inona no tiana ahatongavana ? Mbola fanontaniana goavambe mipetraka eny imolotry ny rehetra. Marihina fa vao andro vitsitsy lasa izay no nisy nandoro ihany koa ny Rova teny Ambohitrimanjaka. Mitovy tsy misy valaka tamin’ity teny Ambohidratrimo ity ihany fomba nampiasain’ireo olon-dratsy satria dia mbola navela teo ihany koa ny tavoahangy nisy ny solika natao handrehetana izany. Tao anatin’izany anefa toa tsy nisy fepetra raisina niarovana ireo Rova hafa. Araka ny fantatra mantsy dia tsy misy mpiambina akory ity eny Ambohidratrimo ity, eny fa na dia teo ihany koa aza ilay saika nahamay izany, volana maromaro lasa izay. Andrasan’ny maro amin’izao fotoana izao ny fepetra ho raisin’ny Fanjakana. Inoan’izy ireo fa hisy ny drafitra matipaika ho raisina, fa tsy hoe sanatria hanao fitsaboana aorian’ny fahatesana foana …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

9 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici