Niala ny làlana ilay fiara fitateram-bahoaka izay zotra mampifandray Mahitsy sy Vassacos. « Nivadibadika inefatra ary niafara tany anaty hantsana izay mirefy 17 metatra ny haavony » raha araka ny fanazavan’ny zandary izay nandray an-tànana ny fanadihadiana. Naratra avokoa ny mpandeha tao anatiny izay niisa 16. Nisy tamin’ireo ny tapa-tongotra, tapaka taolan-tsandry, taolan-tratra. Nisy koa ny tsy maintsy nodidiana, ankoatr’ireo izay nentina tao amin’ny sampana fameloman’aina. Teo amin’ny fokontany antsoina hoe Soamanantety (PK 15+500) izay manamorona ny lalam-pirenena fahefatra no nitranga ny loza. Nitsoaka avy hatrany ny mpamily taorian’izay. Tao anatin’ny fihainoana ny olona no nahafantaran’ny zandary fa isan’ny nitarika ny loza ny fikitihan’ilay mpamily ny findainy nefa ny fiara tsy nijanona. Potika tanteraka ilay fiara fitaterana vokatry ny zava-nitranga. Iny lalam-pirenena fahefatra iny dia isan’ny ahitàna taxibrosy misetrasetra ary mifanenjika matetika. Iny RN4 iny koa no tena nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana betsaka indrindra tamin’ny volana lasa teo izay nifanandrify indrindra tamin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra ka nanararaotra nandeha faritra. Mila fanaraha-maso hentitra ny momba ireo fiara fitateram-bahoaka sy ny mpamily azy ireo satria mitady hiverina indray ilay laza ratsy «vata-paty mandehandeha ».
D.R