- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Olona enina nahatratrarana rongony 3 kilao

Ambohidratrimo : Olona enina nahatratrarana rongony 3 kilao

Naharay voavoa ny zandary miasa eny Ambohidratrimo fa misy olona mivarotra rongony eny Alakamisy. Nidina nijery izany teny ifotony ireo mpitandro filaminana tamin’ny faha-6 febroary teo. Efa tamin’ny 9 ora alina tamin’izay. Olona telo no tratra tao amin’ilay trano niaraka tamina rongony voafona miisa 10. Ireo indray no nanoro ny namany avy eo. Nilaza ry zalahy fa eny Anosivavaka no mpamatsy azy. Naleha teny an-toerana ka olona telo hafa indray no sarona, vehivavy ny iray. Rongony 3 kilao no tratra tao. Avy any amin’ny faritra atsimon’ny nosy ny mpanatsy azy ireo ary eny amin’ny fasan’ny karana no fanagalana ny “entana”. Natolotra ny fitsarana omaly ireo olona ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser