Vola mitentina telopolo tapitrisa ariary teo ho eo no very nandritra ilay fanafihana nahafatesana olona iray tetsy Ambohidratrimo, afak’omaly. Olona folo kosa no efa nohenoina sy nalaina am-bavany araka ny angom-baovao azo. Tsy niandry ela tokoa fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fanadihadiana mahakasika ilay fanafihana niharo vono olona tetsy Anosiala Ambohidratrimo ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Fantatra ary, fa olona 10 hatreto no efa nohenoina sy nanaovana fanadihadiana. Olona folo, izay samy manodidina an’ilay lehilahy mpanatitra « versement » maty voatifitra tamin’io fotoana io.
Raha tsiahivina tokoa ny zava-nitranga, dia handeha hanatitra an’ilay vola 30 tapitrisa ariary, izay an’ny fivarotan-tsolika iray teo Anosiala, any amin’ny banky ity lehilahy iray ity no notafihana lehilahy anankiroa nitondra môtô ihany koa, teo amin’ny fokontany Manakambahiny, mialoha ny hidirana an’Ankadimainty. Tsy nisalasala nitifitra avy hatrany ireto olon-dratsy, izay nahavoa an’ilay lehilahy mpiasan’ilay fivarotan-tsolika teo amin’ny tongony sy teo amin’ny lohany. Antony nahafaty an’ity farany teo ho no eo. Rehefa nahazo ilay vola moa ireo olon-dratsy dia nitsoaka. Ary izao mitohy amin’ny fakàna am-bavany izao ny fanadihadiana sy fikarohana azy ireo.
m.L