- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Olona maty tao anaty taxibe

Ambohidratrimo : Olona maty tao anaty taxibe

Niakatra teo amin’ny fiantsonana antsoina hoe Coca izy ary nandeha taxi-be toy ny olon-drehetra. Tampoka teo anefa, nitanondrika ary tsy nihetsika intsony ity lehilahy manodidina ny 55 taona ity. Nikoropaka ny rehetra ary nanapa-kevitra avy hatrany ny hitaterana azy any amin’ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra. Nizotra teny amin’ny hopitaly CHU Anosiala ny fiara mba ho fanavotana azy. Indrisy anefa fa efa tsy nisy aina intsony izy ary tsy nisy azo natao na inona na inona intsony mba hamelomana azy. Omaly dia nisy fizaràna ny sariny mba ho solon’ny fampandrenesana izay mety ho fianakaviany. Tsy nisy nahafantatra mantsy ny olona ka ny tsy maintsy notazomina ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly aloha ny razana mandram-piandry izay havany haka azy. Rehefa dila ny fe-potoana ahafahana mitazona azy ao ka mbola tsy misy maka ihany dia tsy maintsy halevina eny amin’ny fasam-bahiny izy. Betsaka izay olona nitambotsotra tampoka ao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka izay. Misy ihany noho ny hanohanana ka mba avotra rehefa mifanampy ny olona ka mividy sakafo hoazy. Misy koa anefa ireo efa tena darohan’ny aretina kanefa tsy maintsy mivoaka ny trano ary dia mety ho lavo eny rehetra eny. Raha dinihina izany dia misy tokoa ny olona miady aman’aina izay mivezivezy eny rehetra eny saingy mody mijoro fotsiny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici