- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Olona novonoina sy nodorana, roalahy nidoboka eny Tsiafahy

Ambohidratrimo : Olona novonoina sy nodorana, roalahy nidoboka eny Tsiafahy

Roalahy voarohirohy ho tompon’antoka nivantana tamin’ilay famonoana tovolahy, mpizara fanafody teny amin’ny hôpitalin’Anjanamasina, no nadoboka avy hatrany teny Tsiafahy, omaly rehefa avy nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana. Namanan’izy ireo hafa kosa no nalefa eny Antanimora. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo zandary nanao ity fanadihadiana ity, omaly teny Ankadilalana, dia efatra izy ireo no voasambotra sy voarohirohy tamin’ity trangana famonoana olona mahateiravina ity, izay nitranga ny tapaky ny volana febroary lasa teo, teny Ambohidratrimo. Ireto roalahy nalefa eny Tsiafahy ireto no fantatra tamin’izany ,fa tena nandray anjara nivantana, namono nahafaty ity tovolahy ity tamin’ny alalan’ny tsindrona antsy sy fandorana azy tamin’ny lasantsy. Mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo kosa ireo namany roa hafa, izay nahazo fahafahana vonjimaika moa ny iray tamin’izy ireo. Araka ny fantatra hatrany dia nahiahian’iretsy roalahy fa nahafantatra ny tsiambaratelony ity tovolahy ity ka izay no anton’ilay famonoana. Raha ny fanazavana hatrany mantsy, ankoatra ny tena asany eny amin’ny hôpitaly, dia mikirakira sy mivarotra fitaovana vokatry ny teknôlôjia ihany koa izy, toy ny solosaina sy ny finday. Tao anatin’izany asany an-tselika izany dia nifanerasera tamin’ireto roalahy ny tenany, izay tsy inona akory, raha ny vaovao hatrany ,fa mpangalatra sy mpanendaka. Niahiahy araka izany ireto farany , sao fantatr’ilay tovolahy ny tena marina ny amin’izy ireo ka dia nanapa-kevitra ny hanapitra ny androny ireo olon-dratsy. Nomena fotoana teo amin’ilay toerana nahitana ny fatiny ity mpizara fanafody ity, fa hoe misy “bizina”. Natao mihitsy izay handehanany irery tamin’io fotoana io, ka anisan’ny nanampy tamin’izany ny roalahy naman’ireo mpamono. Fahafatesana avy hatrany anefa no niandry ity tovolahy ity, tao amin’ilay toerana, izay lobolobo sady lavitry ny mason’ny olona no mangingina rahateo. Tsindrona antsy telo no nahafaty ity mpizara fanafody ity : teo amin’ny tendany, teo amin’ny fony ary tamin’ny tanany. Tsy vitan’izay fa mbola norarahana lasantsy ny vatany ary nodorana avy teo. Tamin’ny alalan’ny fitsirihana ny antso an-tariby sy ny fanadihadiana lalina no nahafahan’ireo zandary teny an-toerana nisambotra ireto olon-dratsy. Saika mponina teny amin’iny faritra iny ihany sy teny Talatamaty, izay toeram-ponenan’ny maty avokoa ireto nahavanon-doza ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici