Lasa ny vola mitentina 500.000 ariary. Roa lahy izay nandeha scooter ary samy nitondra poleta iray no nanatontosa an’izany, tao Ambohidratrimo. Mbola mazavabe nanahary, amin’ny efatra ora sy sasany, no nitranga ny fanafihana. Nambanana basy ilay rangahy izay vao avy nanaterana vola natao, tao anatin’ny sakaosy kely. Tamin’io fotoana io indrindra no nipoitra ireo olon-dratsy izay nitifitra azy avy hatrany. Tsy voa izy, saingy nianjera kosa teo am-pitsoahana. Nalain’ireo olon-dratsy fotsiny ny vola tao anatin’ny fitoerany. Vita izay dia lasa ireo olon-dratsy. Raha ny fantatra, dia vola avy amin’ny toeram-pivarotana fitaovana fanamboatrana trano izay azy ka naterina tany aminy io lasan’ny olon-dratsy io. Nanao ny fisafoana ny manodidina ny zandarin’Ambohibao rehefa tonga teny an-toerana.
D.R