- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo  : Raikitra ny fifampitifirana tao anaty kizo

Ambohidratrimo  : Raikitra ny fifampitifirana tao anaty kizo

Nifampitifitra ny dahalo sy ny zandary ny alin’ny alahady teo. Lavo teo ny jiolahy izay fantatra amin’ny solon’anarana Kakaboy. Tafaporitsaka kosa ny namany telo hafa. Tsy nijanona teo ny zandary fa nanohy ny asa na nanao fanarahan-dia. Nohidina avokoa ny kizo manodidina ary natao savahao ny toerana tokony nizoran’ireo jiolahy. « Nitohy ny fanaran-dia sy ny sakana ny kizo rehetra ka nifanehatra tamin’ny zandarin’Anjanadoria sy ny tafika ao amin’ny Zds Ikopa teo amin’ny kizo antsoina hoe Andalana, ao Anjanadoria ihany. Nirefodrefotra tao anaty haizina ny basy ary lavo tamin’izany i Mahasoa, Raboresy ary Mahefa. Ireo farany dia mpiray tarika amin’i Kakaboy » raha araka ny tatitry ny zandary. Nahitàna basy poleta miisa 2 izay mirefy 09 mm ny bala ary koa calibre 12 vita gasy niaraka tamin’ny bala maromaro sy fitaovam-piadiana hafa toa ny sabatra sy antsibe tamin’ireo jiolahy lavon’ny zandary. Raha ny tatitry ny mpitandro ny filaminana hatrany dia jiolahy efa nokarohina ela ny roa tamin’izy ireo rehefa namono nahafaty zandary tamin’ny jiona 2022.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici