Ny 15 aprily lasa teo, nifanao totohondry ny mpamily taxi-be iray sy mpitondra fiara 4X4. Tamin’izany fifanandrinana izany anefa, nisy basy iray PA 22 long rifle Walther nisy bala 10 latsaka teo amin’ny toerana niadian’izy roa ireo. Nijanona tampoka teo ny ady fa samy nijery ilay basy. Teo dia samy variana ny mpitazana, satria rehefa nojerena akaiky, samy nilaza fa tsy nisy tompon’ilay basy ireo olona roa ireo. Tetsy andaniny, efa nisy olona niantso ny zandary teny an-toerana. Rehefa nandeha teo ny fanontaniana dia mbola samy niziriziry ireo roalahy fa tsy nisy tompon’ny basy ary voalaza fa nifanilika mihitsy. Nandray ny andraikiny moa ireo mpitandro filaminana ka samy nentina tany amin’ny birao ireo olona ireo. Raha ny niatombohan’ny ady, dia heverin’ny mpanara-baovao, fa zavatra tsy dia nisy dikany akory. Fantatra mantsy fa tamin’io andro io, tamin’ny 9 ora sy sasany, nibahana làlana ilay taxi-be. Tsy afaka nandeha araka izany ilay fiara 4X4. Ny vaovao voaray no nahafantarana, fa tezitra ity farany, nivoaka ny fiara ary namely totohondry ilay mpamily fiara iombonana. Tsy nahatsindry koa anefa io, ka nivoaka ary dia raikitra teo ny ady. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary no tsy maintsy hahalalana hoe an’iza marina ilay basy latsaka .
Ambohidratrimo : Roalahy nanao totohondry, latsaka ny basy, tsy fantatra ny tompony
Articles qui pourraient vous intéresser



