Raha mba mitohy ny fampiharana sazy hentitra toy izao dia inoana fa mihena ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fiara fitateram-bahoaka. Ny alatsinainy teo, nisy mpamily taxi-be iray izay mamo tampona vao maraina teny Alakamisy-Ambohidratrimo. Vokatr’izany dia natory fotsiny teo amin’ny toerany izy. Taitra kely indray ary tereny fotsiny ny tenany ny mpamily ilay fiara. Nivarahontsana ny iray taxi-be vokatr’izany. Mba nisy mpandeha nanana ny laharan’ny zandary ao Ambohidratrimo ka io no nandray andraikitra avy hatrany nampandre ireo mpitandro ny filaminana. Natao tokoa ny fanamarinana ary hita fa tena mihoatra lavitra ny azo ekena ny tahan’ny alikaola tao aminy. Koa satria loza mananontanona ny mpandeha ary koa ny mpampiasa lalana io rangahy io dia avy hatrany dia naiditra « violon » izy. Nosokafana ny fanadihadiana ary maromaro ny vesatra nitazomana azy. Natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy ny tenany omaly ary nanapakevitra ny mpitsara ny nampiditra vonjimaika am-ponja azy. Tsy vitan’izany fa nesorina taminy ihany koa ny taratasy fahazoana alàlana mitondra fiarakodia. Hita mangarahara eto fa samy nandray ny andraikiny amin’ny tokony ho izy na ny zandary nisambotra sy nanao famotorana na ny mpitsara izay nikirakira ity raharaha ity. Azo deraina ny toy izany mba ho fiarovana ny ain’olona. Raha ny mba fanirian’ny maro aza dia mba ho toy izany koa ny fepetra raisina ho an’ny taxi-brousse sy ny fiara mpitatitra hafa. Be loatra ny tsy manan-tsiny namoy aina noho ny tsy fitandreman’ny mpamily…
D.R
Ambohidratrimo : Sady MD no nesorina « permis » ilay mpamily taxi-be mamo
Articles qui pourraient vous intéresser