- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Sinoa voatafika, lasa ny 23 tapitrisa ariary

Ambohidratrimo : Sinoa voatafika, lasa ny 23 tapitrisa ariary

Lasa ny solosaina, ny vola mitentina 23 tapitrisa ariary ary koa ny finday. Olona iray no naratra tao anatin’ny fanafihana dia olona izay saika hamonjy kinanjo notifirin’ireo jiolahy avy hatrany. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina ny alahady teo no tonga ireo olon-dratsy. Nambanana basy ary norahonana tamin’izany ny mpiambina roa ka tsy afa-nihetsika. Vao tafiditra tao anatin’ilay trano izy ireo dia nampitahotra avy hatrany ary nanery ilay sinoa mba hanoro izay nisy ny vola. Ary dia tontosa tokoa izany. Feom-basy in-telo no henon’ny manodidina izay niahotra ny niditra an-tsehatra mba ho fiarovana ny aina. Ilay olona iray no sahy ary tena saika hanavotra saingy tsy nihambahamba ny nitifitra ireo jiolahy. Misesy ny fanafihana mitam-basy ao Ambohidratrimo tamin’iny herinandro lasa iny. Fanintelony izany ity tranga tantaraina ity. Nahazoan’ireo olon-dratsy vola an-tapitrisany hatrany izany. Vao ny alakamisy teo koa raha tsiahivina kely no nisy tokantrano dimy nasesin’ireo olon-dratsy ary tena nanaovany izay sitrapony tokoa. Mandry tsy lavoloha ny olona eny amin’iny toerana iny ankehitriny noho ny afitsoky ny jiolahy. Ary tsy eny irery fa ireo tanàna manodidina an’andrenivohitra. Isan’izany i Miarinarivo izay matetika hiverenan’ny jiolahy. Torak’izany koa Ambohijanaka izay noho ny horohoro dia manidy trano aloha be ny olona satria efa fain’ny fandalovan’ny jiolahy matetika. Soa ihany fa mba efa nisy tamin’ireo toerana ireo ny fanasiana « poste avancé » ka mba nampihena kely ny asan-jiolahy. Mitaraina ny olona eto an-drenivohitra fa mahery ny asan-jiolahy kanefa rehefa tena dinihina, tsy latsa-danja amin’izany koa ny iainan’ny olona any ambanivolo ary na dia miala 30 km amin’Antananarivo aza dia efa hita maso izany. Ny any amin’ny faritra betsaka omby aza dia efa tsy fidiny amin’ny olona fotsiny ny mijanona ao amin’ny maha-tanindrazany azy. Efa tsy fiainana intsony ny iainana any noho ny afitsoky ny dahalo izay sady mitifitra no maka ny fananany. Na ny mpitandro ny filaminana aza dia misy mamoy aina isan-kerinandro. Mbola ady goavana araka izany ary mila politika matotra ny ady amin’ny asan-jiolahy.

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici