Tohin’ny lahatsoratra ny zoma lasa teo tamin’ny fahatratrarana ireo mpivarotra taolam-paty miisa efatra. Tao aorian’ny fanadihadiana no nahasamborana olona dimy hafa, izay marihina fa nisy ankizivavy kely tsy ampy taona tao anatiny. Hita tamin’izany fa taolan-dava milanja dimampolo kilao no tratra ary avy amin’ny faty miisa telo ambin’ny dimampolo, tany amin’ny faritra Ambato-Boeni sy Tsaratanana no niavian’izy ireo. Avy hatrany moa dia natolotra ny Fitsarana ireto sivy tratra ireto. Mbola tsy fantatra marina hoe amidy ohatrinona ary iza no mpaniraka azy ireto? Raha ny vaovao marim-pototra dia tsy maintsy halevina miaraka daholo ireto taolam-paty ireto, satria tsy hita marina ny hanavahana azy ireo noho ireto taolana efa mifangaro, na dia misy aza ny fitarainana vaky fasana.
Efa somary nangingina moa ity resaka vaky fasana ity tato ho ato fa dia tamin’ity fiatombohan’ity taona ity no niverina indray.
ALEM