Nandripaka indray ny andian-jiolahy tany amin’iny distrika Ambohidratrimo iny. Tokantrano maromaro no indray nasesin’ny jiolahy notafihana tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andriantany, ao amin’ny kaominina Iarinarivo. Vokany olona iray tao amin’ireo tokatrano ireo no maty voatifitr’ireo olon-dratsy ireo. Ny voalohandohan’ny herinandro teo no niseho ity fanafihan-jiolahy ity, araka ny tati-baovao avy amin’ny zandarimarim-pirenena. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo ho eo, andian-jiolahy niisa teo amin’ny valolahy teo no tonga tao amin’io tanana io. Niisa teo amin’ny valo teo izy ireo ary samy nirongo basim-borona sy zava-maranitra isan-karazany. Nirefodrefotra ny basy tao an-tanana tamin’io fotoana io. Tsy nisy sahy nivoaka, ary tsy nisy sahy namaly ireto jiolahy ireto akory ireo mponina. Nisy tompon-trano iray, tamin’ireo trano voatafika mantsy no avy hatrany dia notifirin’ireto mpanafika ireto tsy am-pisalasalàna. Voa teo amin’ny faritry ny lohany ity lehilahy ity ka naratra mafy. Tsy afa-namonjy azy akory anefa ireto mponina raha tsy efa lasa ireto olon-dratsy, izay tsy nahazo afa-tsy zava-maneno iray. Nentina namonjy hôpitaly haingana ity olona naratra ity, saingy noho ny ratra nahazo azy dia namoy ny ainy ity farany. Efa tonga tany an-toerana moa ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohidratrimo, nanao ny fanadihadiana sy nanomboka ny fikarohana ireto andian-jiolahy ireto.
m.L