- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Tokantrano maromaro nasesin’ny jiolahy nitondra kalaky

Ambohidratrimo : Tokantrano maromaro nasesin’ny jiolahy nitondra kalaky

Nanjakana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery indray ny teny amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny faran’ny herinandro teo. Voalohany tamin’izany ny nitranga ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tao Amboasary, kaominina Iharinarivo. Tokantrano roa no indray voatafiky ny jiolahy efatra mirongo kalaky. Lasa tamin’izany ny vola Roa hetsy latsaka. Tsy vitan’izay anefa. Ny alin’io asabotsy ihany, tokony ho tamin’ny 8ora alina teo indray, tao Antovontany, kaominina Mahitsy. Andian-jiolahy, mirongo kalaky ihany koa no niditra tao amina tokantrano iray. Araka ny fantatra dia telo izy ireo ary manao fanamiana miaramila. Raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana hatrany dia nanao akanjo maramara sy misatroka “beret” mena ireto andian-jiolahy ireto. Sakaosy nisy vola Valo hetsy ariary, sy fahana finday mitotaly Efatra hetsy ariary no lasan’ireto olon-dratsy ireto tamin’izany. Tamin’ny alàlan’ny fidinana nataon’ny mpitandro filaminana no nahitana taim-bala, tamin’itsy fanafihana voalohany itsy. Na izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy na olona naratra tamin’ireo fanafihana misesisesy nataona jiolahy maro ireo. Manainga ny rehetra ho mailo hatrany ary hiantso avy hatrany ireo mpitandro filaminana raha vao misy tranga mampiahiahy.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser