- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Tovovavy mpianatra nisy naka an-keriny, 15 tapitrisa ariary no takian’ireo...

Ambohidratrimo : Tovovavy mpianatra nisy naka an-keriny, 15 tapitrisa ariary no takian’ireo olon-dratsy

Tato ho ato izay dia tsapa fa nahazo vahana indray ny fangalàna an-keriny terantany malagasy.

Ankizivavy kely vao 12 taona monja, avy any Port-bergé, mipetraka amin’ny rahalahin-drainy eny Anosiala Ambohidratrimo ary mianatra eny an-toerana ihany no nisy naka an-keriny, ny zoma lasa teo. Raha iny izy handeha hianatra maraina iny no tsy niverina tao an-tranony intsony, raha ny fantatra hatrany. Samy tsy nisy nanam-po na inona na inona ireo fianakaviana, indrindra fa ity rahalahin-drainy mitaiza azy ity, raha tsy naharay hafatra tamina finday, nanambara azy ireo ny zava-misy, ny antoandron’io. Teo vao samy taitra avokoa. Hoy mantsy ilay hafatra tamin’izay fotoana izay :  « Alaivo ato akaikin’ny CEG fa maty izaho, alaivo malakilaky tena maty izaho. Ity num olona  nahazo zaho fa tsy fantako tena malaky nareo fa anaty tomobile tena maizina raha tsy anjara dia foana ny fianaranay …tena maro zahay azon-jareo mifehy lamba vava anay jiaby ». Hatreto dia tsy fantatra mazava na tena ilay tovovavy tokoa no nandefa io hafatra io na ireo jiolahy ihany. Antsasakadiny taorian’io hafatra voalohany io anefa dia tonga indray ny faharoa, niantefa tany amin’ity lehilahy hipetrahan-drakalakely ity aty an-drenivohitra ihany ary laharana mitovy : « raha omenareo 50 .000.000 zahay, omenay ny zanakareo. Valio sms andrasanay ,raha tsy omenareo vonoinay zanakareo. Eto am-pelatananay izy izao. Efa hody zaho amin’ny 12 ora tsy maintsy maty, omenay izy nanoratra sms aminareo ». Raha ny fantatra dia vantany vao nahazo io hafatra io ilay lehilahy dia nankeny amin’ny mpitandro filaminana. Etsy andanin’izay anefa, tsy mitsahatra mampitahotra ireto fianakaviana ireto ireo olon-dratsy. Ny sabotsy lasa teo tokoa mantsy dia tonga indray ny hafatra manaraka : « amboary ny saina fa maty omaly ny zanakareo ». Adiny roa taty aoriana ihany anefa dia niantso nivantana mihitsy ireo jiolahy, ary nangataka onitra 15 tapitrisa ariary, sy nangataka ny handefasana izany amina finday ihany, ho sandan’ny famotsorana an’io ankizivavy io. Nanome fe-potoana hoe hatramin’ny androany mihitsy aza izy ireo tamin’izany, handoavana ilay vola, raha tsy izay dia entin’ilay « sefon’izy ireo » ilay zaza. Hoentina aiza dia atao inona ? Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser