Nasesin’ireo jiolahy ny tokantrano telo tetsy Ambohitsaratelo, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Fiadanana. Manodidina ny tamin’ny 12 ora sy sasany alina no tonga ny valo lahy izay mitazona basim-borona roa sy antsy. Mitovy avokoa ny nanatontosan’ireo ny fanafihana : novakiana ny varavarana dia niditra an-keriny tao an-trano. Rehefa tafiditra dia nambanana basy ny olona ary norahonana ho faty raha vao manohitra. Sady maro ireo jiolahy no mbola mitazona fitaovam-piadiana koa. Tsy nisy azo natao araka izany ankoatra ny nanaraka ny baikon’ireo. Nitaky vola ireo ary dia navoaka izay nisy. Tao amin’ny tokantrano voalohany izay trano fonenana tsotra dia lasa ny vola izay mitentina 300.000ariary sy ny kojakoja izay nanintona ny mason’ireo olon-dratsy ka mora nobataina. Torak’izany koa ny tao amin’ny tokantrano faharoa fa kosa nitentina 1,3 tapitrisa ariary ny vola lasa. Io dia sady trano fonenana no toeram-pivarotana enta-madinika. Tao amin’ny fahatelo indray izay tsy nisy nalain’ireo jiolahy ankoatra ny piesin’ny bisikileta iray. Nitsoaka nilamina tao anatin’ny haizina ny mpanafika ary tsy nisy sahy nanaraka noho ny tahotra sao ho voatifitra. Horohoro toa izany hatrany no iainan’ny olona any amin’ny tanàna izay misintaka kely an’andrenivohitra. Toa izany koa ny etsy Ambalavao sy Ambohijanaka, etsy Antsimondrano. Amin’ny dimy ora hariva dia efa mihidy an-trano ny olona noho ny tahotra ny asan-jiolahy. Misy akony amin’ny asa fitadiavan’ny olona izany satria lasa mihena koa izany ny fotoana tokony hitadiavam-bola. Midika hatrany izany rehetra izany fa mbola tokony hamafisina ny fanapariahana ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ary toraka izany koa, omena lanja ny andrimasom-pokonolona. Mora loatra amin’ny jiolahy ny manafika ary porofon’izany, trano telo ao anatin’ny tanàna iray no indray asesiny ao anatin’ny alina iray.
D.R