- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Valo lahy nitam-basy nanafika tokantrano

Ambohidratrimo : Valo lahy nitam-basy nanafika tokantrano

Teo amin’ny fokontany antsoina hoe Ambatonahorina no nitranga ny fanafihana. Valo lahy nitazona basy poleta sy zava-maranitra isan-karazany ary baramina no tompon’antoka. Amin’ny andro antoandrobe, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, ny talata teo, no tonga ireo tao amin’ilay toerana. Voaroba tao ny fahitalavitra manify, ny vola mitentina 3,8 tapitrisa Ariary mahery, ny findain’ny olona tao an-trano. Nentin’ireo olon-dratsy hatramin’ny peratra volamena teny an-tanan’ny tompon-trano aza. Tsy nisy namaly ny olona voatafika fa nanaraka antsakany sy andavany ny baikon’ny jiolahy, ary mba tsy nisy ny daroka. Vita ny fanafihana vao nahazo fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana, tokony ho miala sivy kilometatra amin’ny birao akaiky indrindra no nisy ny toerana voatafika. Efa tsy nisy tratra intsony ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo teo. Na izany aza dia natao ny fisafoana sy ny fanarahan-dia ary teo ihany koa dia nosokafana ny fanadihadiana, niainga teo amin’ny manodidina ihany aloha. Mbola iny andro iny koa no nisy fanafihana hafa mbola tao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ihany. Ahiana aza hoe ireo olona ireo ihany no nitohy nanafika tany an-toeran-kafa. Ny antony dia mitovitovy ny fanamarihan’ireo olona lasibatra, indrindra ny mahakasika ny fitaovam-piadiana nampiasain’ny jiolahy. Mandeha avokoa ny fanangonam-baovao ny amin’ireo jiolahy mpandroba ireto ankehitriny ary miompana amin’ny famantarana azy ireo aloha izany mba hahafahana manao savahao izay misy azy ireo avy eo. Andrasana ny mety ho vokatr’izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici