Taorian’ny fametrahana fitarainana teny amin’ny mpitandro filaiminana, mahakasika ny fahaverezan’omby vositra iray miteti-bidy 1,2 tapitrisa ariary eo, tao Antanetibe, Kaominina Ampanotokana, Distrikan’ Ambohidratrimo, ny alin’ny 29 jona lasa teo, dia nanao ny fikarohana an’ ireo olon-dratsy ny Zandary, ka tra-tehaka tao Andranotapahana (RN4) nandritra ny fisavana nataon’ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Talatamaty, ny alin’ny iray jolay teo, ny fiara « Renault fourgon » iray izay nisy ilay omby very efa voarasa. Nosamborin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny mpivarokena efa-dahy tao anatin’ity fiara ity, ka rehefa nofotorana lalina izy ireo, dia nanondro olona efatra izay nangalatra mivantana ilay omby. Raha ny fanazavana azo, saika hoentina hamidy tao an-tsenan’i Talatamaty ity omby halatra efa vita rasa ny henany ity no saron’ny Zandary. Ny Zandarimaria dia mbola manentana hatrany ny mpiara-monina mba hanome vaovao tsy tapaka azy ireo mba hamongorana ny asa ratsy.
Eric Manitrisa