Ny alahady maraina lasa teo, vehivavy iray no hita faty tao amin’ny kaominina Anosiala ao amin’ny distrika Ambohidratrimo. Natsingevan’ny rano tao anaty tatatra amin’ny sisin-dalana ny vatana mangatsiakany ary efa tsy nisy akanjo intsony, raha ny angom-baovao azo. Ny maraina tokony ho tamn’ny valo ora sy sasany teo ho eo no nisy nampandre ny zandary tao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo fa misy olona mitsirara ao anaty tatatra. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireto farany niaraka tamin’ny mpitsabo nandeha nijery ny zava-nisy. Efa nitangorona ihany ny olona tamin’io fotoana io saingy niandry ireto tompon’andraikitra ireto vao nanala ny razana tao anaty rano. Tsy nahitàna marika naratra kely akory ny vatan’ity ramatoa ity, raha ny fanazavàna azo. Tsy nisy n’inona n’inona mety namantarana azy ihany kosa teny aminy. Izy rahateo moa efa tsy nisy fitafiana intsony teny aminy. Raha ny fantatra hatrany dia toa olona vahiny eny an-toerana ity vehivavy hita faty ity. Tsy nisy nahafantatra azy mantsy ireo mponina rehetra teny amin’iny manodidina. Tsilian-tsofina fotsiny no re fa hoe toa vehivavy marary saina izy ireo, ary efa nisy nahatsikaritra, nirenireny teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny. Nisy namono ve ? Nanolana ? Sa maty an-drano ? Mety azo heverina ity farany satria tao anatin’iny ora-mikija sy fiakaran’iny mihitsy izy no hita tao anaty tatatra. Na izany na tsy izany dia efa mandray an-tanana ny famotorana sy fanadihadiana ireo zandary eny an-toerana. Ny razana kosa dia efa naterina eny amin’ny tranom-patin’ny CSB II eny Anosiala.
m.L