- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Vola fito tapitrisa ariary saika hanaovana kolikoly teny amin’ny zandary

Ambohidratrimo : Vola fito tapitrisa ariary saika hanaovana kolikoly teny amin’ny zandary

Olona efatra no voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana omby vavy teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nikasa ny hanambitamby ireo mpanao famotorana tamin’ny lelavola fito tapitrisa ariary anefa ireto farany, hampijonana ny raharaha. Noraisim-potsiny ! Mazàna tokoa dia tanana efa zatra mitsotra ny an’ireo mpanao raharaha maloto ka na dia efa tratra ambodiomby aza dia manantena ny ho afaka mora foana amin’ny alalan’ilay hoe « lalana ambanin’ny tany ». Tsy izay intsony anefa no nitranga teto, teny amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny, satria sahy nandà an-kitsirano ny mena miraviravy ireo mpanao fanadihadiana.

Ny zava-nisy : nisy vaovao tonga teny anivon’ny Vondrontobim-pileovan’ny zandary Analamanga ny amin’ny fisian’ny tambajotran’olon-dratsy izay sahy mamono omby vavy teny amin’ny kaominina Ampangabe, distrika Ambohidratrimo. Marihina fa voararàn’ny lalàna velona eto amintsika ny famonoana omby vavy tsy amin’ny antony sy tsy nahazoana alalàna. Nandray an-tanana avy hatrany izany fandikan-dalàna izany ny teo anivon’ny zandary ary nanome baiko ny eny anivon’ny Vondrontobim-paritry ny zandary eny Ambohidratrimo mba hanokatra ny fanadihadiana sy handrava izany tambajotra izany. Tsy ela tokoa dia nivaly izany ary nisy olona voarohirohy tao anatiny, izay mbola tratra mihitsy teo am-pamonoana omby vavy iray ary mbola teo am-pamatorana ny iray hafa. Nosamborina avy hatrany izy ireo ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary. Angamba efa zatra lalan-dririnina ry zalahy fa avy hatrany dia nitady ny lehiben’ireo zandary tany an-toerana ary nanome vola an-tapitrisany ho tambin’ny fampijanonana ny raharaha sy ny fanenjehana ny naman’izy ireo. Nandà an-kitsirano izany moa ny Kaomandin’ity vondrontobim-paritra ity ary nampilaza tamin’ny lehibeny. Tsy vitan’izay anefa, hoy hatrany ny vaovao, fa mbola sahy nanatona ity farany indray iretsy olon-dratsy, ny sabotsy lasa teo ary mbola nanolotra vola fito tapitrisa ariary ho an’ilay manamboninahitra Kolonely, Lehiben’ny vondrontobim-pileovan’Analamanga ho fandravonana ny raharaha. Efa fahasahiana diso tafahoatra loatra ary kolikoly miharihary ka tsy maintsy nosamborina . Niampy ho fanaovana kolikoly indray, araka izany, ilay fanenjehana azy ireo tetsy aloha. Nogiazana kosa ilay vola, ho porofo mivaingana entina eny anivon’ny Fitsaràna, ary nosokafana ny fanadihadiana azy efatra mirahalahy ireto, izay notanana natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny zandary. Nambaran’ny teo anivon’ny zandamariam-pirenena fa efa ho roa taona tsy ankiato izao ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary hiadiana amin’ny fanaovana kolikoly. Efa nisinisy ihany tao anatin’izay ireo teo ambany fibaikona, eny fa na hatramin’ny manamboninahitra mpibaiko aza no efa voasazy. Efa maro toraka izay kosa anefa tetsy andanin’izay ireo nomena fankasitrahana manokana satria sahy nandà ankitsirano ny vola natolotra teo ambany mason’izy ireo. Ankoatra izay dia milaza ny tsy handefitra mihitsy izy ireo ho an’ireo olona tratra manao izay kolikoly izay. Matotra ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny Fitsaràna amin’ity ady iraisana ity ka hotanana am-ponja avokoa ireo olona tratra manao izay, mba hanadiovana ny fiaraha-monina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici