- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Volabe very nanditry ny vaky trano

Ambohidratrimo : Volabe very nanditry ny vaky trano

Naratra ny tompon-trano, very ny vola aman-tapitrisany maromaro … Ireo vokatry ny vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana niseho tao amin’ny fokontany Maharavo, tany Ambohidratrimo ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any ireo tranga io, taoriana kely ny orambe nikija nandrakotra an’Antananarivo iny. Raha ny fampitam-baovao azo dia maromaro ihany ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ary samy nirongo fitaovam-piadiana. Ankevitry ny efa notilin’izy ireo mihitsy ity tokatrano lasibatra ity satria fantatr’ireo olon-dratsy ny toetoetry ny trano sy ireo fivoahana misy tao aminy. Marihana fa sady fivarotana ihany koa ity tokatrano niharan’ny fanafihana ity Varavarana izay efa nambenan’izy ireo tsirairay avokoa, araka ny vaovao azo, izay tsy nahafahan’ny tompon-trano akory niantso vonjy. Vao tafiditra tao an-trano izy ireo, rehefa avy nanapitsoka ny vavaram-be, avy hatrany dia niezaka nifehy ireo olona rehetra tao an-trano no sady nitaky vola. Nandrahoana ireto farany tamin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana teny amin’izy ireo. Mazava ho azy, tsy afa-nanohatra firy ireo lasibatra ka nanome tsy sazoka ny vola ary namela nanara-po ireo olon-dratsy nibata izay entana zakany. Tsy fantatra izay zava-nitranga nony avy eo, fa avy hatrany dia nodarohin’izy ireo ary noratrainy ny raim-pianakaviana. Afa-po tamin’izay fa lasa nitsoaka. Taorian’izay fotoana izay mihitsy vao afaka niantso mpitandro filaminana ireto voatafika ireto. Niezaka ihany koa namonjy ilay raim-pianakaviana sy nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Efa eny am-pelan-tanan’ireo tompon’andraikitra moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici