- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Zafikely nahavita namono ny renibeny tamin’ny fomba feno habibiana

Ambohidratrimo : Zafikely nahavita namono ny renibeny tamin’ny fomba feno habibiana

Omaly no niakatra teny amin’ny Fampanoavana, ny raharaha mahakasika ilay vono olona mahatsiravina nitranga tao Anovorano Merimandroso, distrikan’Ambohidratrimo, ny herin’ny sabotsy lasa teo. Zazalahy vao 17 taona monja, izay tsy iza fa zafikelin’ilay lasibatra ihany no voarohirohy tamin’izany. Nadoboka am-ponja vonjimaika moa ity farany.

Raha tsiahivina : ny alin’ny sabotsy 11 jolay dia vatana mangatsiakan-dramatoabe, efa mananika ny 70 taona mahery no hitan’ny fokonolona nalatsaka tao anaty lavadrano. Fantatra, fa tsy hoe loza nitranga no nandatsaka azy tao fa natao fanahy iniana. Izany hoe vono olona an-kitsirano. Rehefa nampakarina avy tao mantsy ny razana, dia hita fa ratra maromaro teny amin’ny vatany izay vokatry ny vely vato sa zava-maranitra ? Marihana fa mipetra-drery ity vehivavy lehibe ity ary mitana tsenakely eo an-tanàna no antom-pivelomany.

Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana nikaroka izay olona nahavanon-doza. Niantefa avy hatrany tamin’ny zafikeliny iray, zazalahy 17 taona ny ahiahy rehetra. Izy rahateo tsy teo an-toerana tamin’io fotoana io. Fantatra  mantsy, hoy ny fampitam-baovao, fa efa matetika ity zafikeliny ity no mangalangalatra ao amin’ny toeram-pivarotany ary mazàna mifamaly amin’izay foana izy mianaka. Nezahina notiliana ny misy ity zazalahy ary nosamborina avy hatrany sy nentina nofotorana. Nandritra ny fakana am-bavany azy teny amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana no niaikeny nony farany, fa izy no tao ambadik’ilay vono olona mahatsiravina nitranga. Hatreto tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ity zafikely mamoa-doza ity ho tonga hatramin’ny famonoana ny renibeny. Ny fantatra dia hoe nodarodarohany tamin’ny vato ho faty ilay ramatoabe, ary natsipiny tao an-davadrano nony avy teo. Nandray fepetra ny hametraka azy avy hatrany etsy Antanimora moa ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, tetsy amin’ny Fampanoavana Anosy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana ity zazalahy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici