Vokatry ny fivangongoan’ny fako manempotra sy ny fiparitahan’ny loto etsy sy eroa dia mandodom-baravarana eto Andrenivohitra ny pesta. Raha araka ny vaovao voaray dia zazalahy 10 taona no matin’ny pesta tao amin’ny fokontany Miadapaonina, kaominina Mahitsy, Distrikan’ Ambohidratrimo, ny alakamisy naraina teo, tany ho any amin’ny 5 ora. Tao amin’ny hopitaly Bejofo no niseho izany tranga izany. Manoloana izany tranga izany dia nandray fepetra ny fanjakana nandraraka fanafody avy hatrany. Nalevina anirotra avy hatrany ilay razana, hoy ny vaovao. Ny voalavo sy ireo biby mamindra aretina hafa aza efa miara-miaina amin’ny olona amina faritra maro eto Andrenivohitra, ka mamparisarisa ny fahasalamam-bahoaka.
Eric Manitrisa