Miafina ao ambadiky ny fitazomanana varotra lasopy izy ireo. Kanjo moa tsy misy ratsy izay tsy natao ho sarona ka fantatra ihany fa misy bizina rongony, ireto vehivavy mpivarotra hani-masaka tetsy Ambohidrazana Fenoarivo ireto. Ny faran’ny volana teo no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina izy ireo. Miisa efatra izy ireo, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny pôlisy, ary samy vehivavy avokoa. Misy amin’izy ireo no mpivarotra fotsiny ary misy ireo mpamatsy. Marihana fa nisy ny fanaraha-maso nataon’ireto mpitandro filaminana ireto, nahafahana nahatsikaritra ireto mpamatsy rongony teny amin’iny faritra iny ireto. Efa ela mantsy no tonga teny am-poto-tsofin’ny pôlisy ny fisian’izany olona izany. « Natao ny fanaraha-maso sy ny vela-pandrika ka vehivavy miisa telo no sarona nandritra izany tao Ambohidrazana/Fenoarivo » hoy ny vaovao. « Izy ireo izay irakiraka ka mody mivarotra lasopy izy ireo no sady mivarotra rongony ». Manodidina ny 1000 ariary ka hatramin’ny 2000 ariary eo ny iray fonosana amin’ny rongony hamidin’izy ireo. Ireto vehivavy ireto kosa dia mikarama 5.000 ariary ka hatramin’ny iray alina ariary, arakaraky ny fandehan’ny tsena. Rehefa natao ny famotorana azy telovavy ireto dia nilaza ny mombamomba ana vehivavy iray indray izy ireo, izay isan’ny mpamatsy entana azy. « Efa nandritra ny 6 taona no namarotany ity vehivavy ity rongony ary efa nigadra tany am-ponja noho ny resaka famarotana zava-mahadomelina », raha ny fampitam-baovao ny pôlisy hatrany. Voalaza mihitsy aza moa fa vao avy namita ny saziny ary vao avy nivoaka ny taona 2021 teo izany vehivavy izany. Samy notanana natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny pôlisy avokoa moa izy efa-bavy ireto ary natolotra ny Fampanoavana omaly.
m.L