- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidronono-Betsiboka : Fanolanana zaza 12 taona, voasambotry ny Zandary ilay navanon-doza

Ambohidronono-Betsiboka : Fanolanana zaza 12 taona, voasambotry ny Zandary ilay navanon-doza

Efa mila ankarenin-tsofina ny fandrenesana ity tranga fanolanana misy etsy sy eroa ity, raha ny eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Efa manomboka mahazo vahana any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna any indray, ny tranga Fanolanana, vao tsy ela fa tamin’ny faha 27 Febroary 2024 no nampidirana am-ponja vonjimaika ilay lehilahy antsoina hoe: Ndrendrina Florent dit Tale, ilay raikely nanolana zana-bady, ity indray nisy iray hafa, efa nahazoan’ny Zandary loharanom-baovao. Raha ny fampitam-bavaova voarainay hatrany teo anivon’ny Zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka, dia ny volana Desambra 2023 lasa teo, no nisy lehilahy nanampantran’ny fialahan-dratsiny tamin’ilay Zazavavy vao 12 taona monja, tao amin’ny tanàna atao hoe: Ambohidronono, kaominina Ambakireny, ato anatin’ny faritra Betsiboka no nisehoan’izany. Ny voalohany volana Martsa 2024, tokony tamin’ny enina ora hariva no voasambotry ny Zandary miasa ao amin’ny  » Poste Fixe » ao Ambohidronono, ilay tompon’antoka tamin’io fihetsika mamohehatra io, rehefa nokarohana ela ka  izao tratra izao ihany ranamana. Raha ny angom-baovao hatrany, dia efa fanolanana intelo miantoana no nataon’ity lehilahy ity ka izao nampitondra vohoka tsy fidiny an’ity zazavavikely ity izao. Efa mandeha moa ny famotorana amin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici