- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanahary Antehiroka : Sinoa voatafika, voavely baramina

Ambohijanahary Antehiroka : Sinoa voatafika, voavely baramina

Mpivady teratany sinoa, monina eny Ambohijanahary Antehiroka, ao amin’ny fokontany Antalamoatra no niharan’ny fanafihan-jiolahy, ny zoma alina lasa teo. Roa lahy izy ireo no niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano iray ity. « Nony tafiditra tao an-trano izy ireo dia novelesiny tamin’ny baramina izy mivady » hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Vokany naratra mafy noho izay daroka nahazo azy izay ilay sinoa vavy, izay voa teo amin’ny lohany, raha tsy dia naninona kosa ilay rangahy. Ity farany izay, mbola afaka niantso vonjy, ka nandositra avy hatrany ireto olon-dratsy. Tsy nisy ny zavatra lasan’ireo jiolahy ireto araka izany. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa, tsy endrika tsy zoviana amin’ireto mpivady ireto, ny iray tamin’ireo olon-dratsy, izay tsy iza fa ny sakaizan’ny zanaky ny mpiambina ny tanànan’izy ireo ihany. Nandray ny raharaha an-tànana avy hatrany ireo zandary avy amin’ny borigadin’i Talatamaty, niampy ny avy amin’ny « poste avancé »-n’Ambohibao. Ilaina amin’ny famotorana, noho izay filazan’ilay rangahy sinoa izay, dia nosamborina avy hatrany ilay mpiambina sy ny zanany vavy. Eo an-dàlam-pikarohana ity sakaizan’ity farany, izay voarohirohy kosa ny mpitandro filaminana amin’izao. Fantatra ihany koa fa rahalahin’ity karohina ity ihany ilay jiolahy faharoa. Raha ny mikasika ilay sinoa vavy naratra kosa, dia efa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici