Omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra ora teo ho eo, no nampiakarina avy ao anaty rano, ny vatana mangatsiakan’ilay mpanjono, navadiky ny lakana ny talata lasa teo tetsy Ambohijanahary. Namono olona indray iny oram-be niseho teto Andrenivohitra sy ny manodidina, ny talata hariva lasa teo iny. Teny amin’iny faritra Ambohijanahary iny, mpanjono telo no tratran’ny ora-mikija teo am-povoan-drano, tamin’io fotoana io. Efa an-dalam-podiana izy ireto no io voafandriky ny rano teny Imamba io. Noho io ora-mikija io, somary nanonja ny rano. Nidiran’izany ihany koa tao amin’ny lakana nisy azy ireo, ary avy hatrany dia fefika. Raha ny filazan’ireo mponina dia samy niezaka namonjy sisin-drano izy rehetra, ary nanao izay hanavotana ny ain’izy ireo sisa. Ny roalahy ihany anefa no tody teny an-tanety, tsy hita nanjavonana kosa ny naman’izy ireo fahatelo. Ity farany izay nambaran’ireo nanatri-maso hatrany fa tsy mahay milomany akory. Hatramin’io hariva io dia efa nandeha ny fikarohana an’ity lehilahy lasan’ny rano io, nitohy omaly maraina izany ary tsy hita raha tsy omaly hariva. Efa somary simba ny razana, raha ny vaovao teny an-toerana, angamba noho ilay izy nilon-drano tao. Efa nomena ny fianakaviana teny an-toerana ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity. Fitadiavana tokoa no naniraka hiala tao an-tokantrano, kanefa dia faty no niverina avy any. Mila fitandremana tokoa amin’izao fotoana izao ireny rano ireny. Indrindra fa amin’izao fotoan’ny orana izao, izay mbola mety hitohy mandritra ity herinandro ity, raha ny vinavinan’ireo mpamantantra toetr’andro.
m.L