Nitrangan’ny fanafihana niharo vono olona feno habibiana tao amin’ny tananan’i Morarano Ambohijanahary, tany amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny, ny talata lasa teo. Vola manodidina ny roa tapitrisa ariary no fantatra fa namonoan’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana tao amin’io toerana io, araka ny fampitam-baovao azo. Ny zava-nisy : ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo dia nisy andian-jiolahy maromaro nirongo fitaovam-piadiana nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity. Ankevitry ny efa nomanina sy fantampantatr’ireto olon-dratsy ny fisian’ny vola tao amin’izany trano izany ka izay avy hatrany no notakian’izy raha vao tafiditra. Azo heverina fa nisy fanoherana nataon’ny tompon-trano tao, mety tsy nanaiky mora ny fandrahonana nataon’ireo mpanafika azy. Tsy nisalasala nampiasa avy hatrany ny fitaovam-piadiana teny an-tanany araka izany ireo jiolahy, nentina nandratrana sy namonoana ilay raim-pianakaviana. Nambaran’ny vaovao mantsy fa olona mitsirara mihosin-dra no hitan’ireo mpamonjy tao an-trano. Voatsatoka antsy ny vatany iray manontolo, teo amin’ny tanany sy tongony ary tao amin’ny lohany. Toy ny hoe nampijalijaliana tanteraka vao novonoina. Vitan’ireo olon-dratsy ihany moa ny zavatra nokasain’izy ireo natao, satria dia fantatra fa nitsoaka niraka tamin’ny vola roa tapitrisa ariary teo ho eo ry zalahy, niaraka tamin’ireo zavatra sarobidy azo noraisina tao an-trano. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana dia efa tafaporitsaka ireo nahavanon-doza, ary natao avy hatrany ny savahao sy ny fikarohana azy ireo. Ny vaovao avy an-toerana hatrany no nahalalana fa efa nisy olona roa nosamborina taorin’izay, izay ahiahiana ho isna’ireo atidoha nikotrika ity fanafihana niharo vono olona mahatsiravina ity. Na izany aza anefa, mbola mitohy hatrany ny famotorana sy ny fanadihadiana rehetra any an-toerana, entina hikarohana ireo nandray anjara tamin’izany.
m. L