Dia tsy lany hevitra mihitsy ireo jiolahy entina hanantanterahana ny asa ratsiny. Toy ity niseho tetsy Ambohijanahary Antehiroka ity, ny alarobia lasa teo. Olon-dratsy mirongo basy mahery vaika no tafiditra tao an-tranona vazaha iray teny an-toerana. Tsy nisy ny basy nipoaka na ny aina nafoy, na izany aza anefa, vola mitentina 4 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ireo entana sarobidy maromaro. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia telo lahy izy ireo no tonga tao amina tokantranona terantany vahiny iray teny an-toerana. Nilaza ho mpiasan’ny Jirama ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, hariva tokony ho tany amin’ny efatra ora tany ho any, ka tsy nisalasala araka izany ny mpanampy namoha vavahady sy nampiditra ireto malaso tao an-trano. Tamin’io fotoana io, raha ny loharanom-baovao hatrany, dia tsy tao an-toerana ny tompon-trano. Tsy nisy afa-tsy ireo mpanampy sy ny ankizy maromaro ihany no tao. Mazava ho azy fa efa mety ao anatin’ny planin’ireto olon-dratsy rahateo izany, fa tsy vokatry ny kisendrasendra angamba. Vantany vao tafiditra ireto telolahy ireto no nasehony ny maha jiolahy azy. Efa basy kalaky sy poleta no teny an-tanan’izy ireo nentiny nampihorohoroana ireo rehetra tao an-trano. Tsy nisy afa-nanoatra araka izany ireto olona rehetra ireto, eny fa hatramin’ny mpiambina aza. Efa tafiditra an-trano rahateo ny jiolahy ! Hany herin’ireto zaza amam-behivavy, dia nanaiky izay baikon’ireo olon-dratsy izay nandrahona sy nitady ny nisy ny vola. Vola mahery ny efatra tapitrisa ariary no lasa. Tsy nisy tahotra rahateo ireto jiolahy, nanararaotra nandroaka izay entana hitan’izy ireo fa azo entina sy sarobidy tao an-trano. Vita ny asa ratsiny, nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Taorian’izay vao afaka niantso ny zandary teny an-toerana ireto voatafika, saingy indrisy fa tsy tazana teny amin’ny manodidina intsony ny alok’ireto mpandroba. Fantatra fa efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
m.L