- Publicité -
dimanche, décembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Ankizivavy 13 taona, voaholana, bevohoka

Ambohijanaka : Ankizivavy 13 taona, voaholana, bevohoka

« Aza mandaza na miteniteny amin’ny olona indry fa miara-bedy isika … » hoy ity tovolahy ity rehefa vita ny nataony, tamin’ity ankizivavy kely vao 13 taona.

Zava-doza tokoa no nitranga tao Lohanosy Ambohijanaka ny herinandro lasa teo. Mpianakavy ihany no nifanolana, ary ny tena mampalahelo nitondra vohoka ilay ankizivavy lasibatra. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia mpianakavy ihany ilay tovolahy 21 taona sy ilay ankizivavy nampiharany ny filàn-dratsiny. Somary norahonan’ilay tovolahy anefa ilay lasibatra fa mba tsy handaza any amin’ny olon-dehibe, na hiteniteny amin’iza na amin’iza ny zavatra nataony. Nony tahotra sy ny maha-zaza azy tokoa dia tsy niteny ilay ankizivavy saingy taty aoriana dia voatsikaritra ihany ny zavatra niseho. Niova ny toe-batana, niova tampoka ny toe-pahasalamana. Bevohoka izy ! Ny reniny hoy ny fanazavana no nahatsikaritra ireo tsy fahatombombanana teo amin’ny toe-batanan’ny zanany vavy io ka nohadihadiana ity farany. Nilaza ihany moa ity ankizivavy ity taorian’izay fa olona tsy lavitra azy ireo nahavita izany taminy. Nametraka fitoriana avy hatrany ireo ray aman-drenin’ilay zaza. Nandray an-tanana ny raharaha ny zandary avy ao Ambohijanaka, ary voasambotra ingahy. Mazava ny lalàna ary hentitra ireo tompon’andraikitra manolona ny fampiharana herisetra ara-nofo amin’ny zaza toa izao fa tsy hisy fandeferana. Tsy nisy alaharo alaharo moa fa dia nadoboka am-ponja vonjimaika ity mpanolana ity, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici