Tsy vitan’ny efa naka ny vola rehetra ireto olon-dratsy nanafika tokantrano iray teny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny, fa mbola nampiharan’izy ireo ny filan-dratsiny ireo vehivavy rehetra tao amin’ity tokantrano ity.
Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo no nitrangan’ity fanafihana niharo fanolanana ity tao amin’ny fokontany Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandarimariam-pirenena, dia nahatratra teo amin’ny fito lahy teo ireo olon-dratsy, izay samy nisaron-tava avokoa no nanao amboletra niditra tamin’ilay trano. Araka ny fitantaran’ireo niharam-boina tamin’ireo mpitandro filaminana, dia fantatra fa fitaovam-piadiana mahery vaika, no nentin’ireto mpanafika, raha ny sasany tamin’izy ireo no nitondra zava-maranitra isan-karazany. Sendra ny hery tsy mitovy ireto voatafika ka dia nanaiky mora izay nolazain’ireto olon-dratsy rehefa voarahona tamin’ny basy “kalach”. Hany ka nanao izay danin’ny kibony mihitsy ireto jiolahy nisavasava sy nibata izay azo nalaina rehetra tao an-trano. Vola mitentina eo amin’ny fito hetsy sy iray tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’izy ireo tamin’izay, niaraka tamina finday valo sy entana sarobidy hafa. Tsy nionona tamin’izay efa azony izay anefa izy ireo fa namoa-doza hafa. Nahita iretsy vehivavy teo ambany masony ka tsy nanaiky raha tsy nampiharan’izy ireo ny filan-dratsiny. Telo izy ireo no niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’ireo mpanafika. 18 taona ny zandriny ary 46 taona ny zokiny. Rehefa samy afa-po izy ireo vao nitsoaka, nitondra ireo zavatra azony. Mazava ho azy, fa efa lasa mihitsy ireto olon-dratsy vao afaka niantso vonjy ireo lasibatra. Raha vao nahare ny antso vonjy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy dia nidina malaky teny an-toerana. Nisy avy hatrany ny savahao ny toerana rehetra izay mety hiafenan’ireo mpanafika saingy, araka ny vaovao hatrany dia efa nadio tanteraka ny rano nitàn’ireto farany, na dia takaitra ara-materialy sy ara-tsaina aza no navelan’izy ireo tamin’ireo voatafika. Na izany na tsy izany aza anefa, dia efa mandeha ny fanadihadiana rehetra hikarohana ireto tsy valahara ireto.
m.L