Fasana telo no indray nasesin’ny jiolahy afak’omaly alina tao Ambohijanaka. Saika lasa avokoa ireo taolam-balon’ireo razana tao am-pasana raha ny voalazan’ireo mponina teny amin’ny manodidina. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa olona handeha hiasa maraina omaly no nahatsirakitra vovoka nisavovona teo akaikin’ny fasana teo amin’ny toerana antsoina hoe Tsilazaina. Araka ny fantatra mantsy dia karazan’ireo fasana taloha, milevina any ambanin’ny tany irony ireto fasana vaky ireto. Rehefa nantsoina avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia voalaza fa saika lasa avokoa ireo taolan-davan’ireo razana maina tao amin’ireo fasana. Naparitaka teny amin’ny sisim-pasana kosa ireo razana lena sy lamba ary ny taolam-balo sisa tsy nalain’ireo olon-dratsy. Fantatra ihany koa fasana roa tsy lavitr’ity fasana vaky ihany koa no norobain’ireo mpangalatra taolam-paty. Nirongatra mihitsy tato ho ato izay ity fangalarana taolam-paty ity. Mbola mitana ny sain’ny maro mandrak’ankehitriny ny hoe atao inona taolam-paty ? Fanontaniana goavam-be mbola tsy nahitam-balina hatramin’izao. Tonga teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana nijery ny zava-misy ary efa mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao.
m.L