- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Lehilahy iray maty nizara roa nohosen’ny masinina

Ambohijanaka : Lehilahy iray maty nizara roa nohosen’ny masinina

Ny sabotsy maraina be, akory ny hatairan’ny mponina teny amin’ny manodidina an’Ambohijanaka nahita fatin-dehilahy iray teo amin’ny lalamby eny an-toerana. Nizara roa ny vatany, teo amin’ny tandrifin’ny kibony indrindra. Tsy hay tantaraina ny zavatra nahazo azy, satria tena nampivarahontsana ireo rehetra nahita. nitsirara teo anatin’ny làlana izy. Ny akanjony niendaka teo amin’ny tandrifin’ny nahavoahosy azy. Samy tsy nisy nanana nambara ny rehetra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy olona nahare azy  nivoaka ny tranony, tokony ho tany amin’ny 2 ora maraina tany. Tsy fantatra moa izay anton’izany. Afaka fotoana fohy, nahare ny firodorodon’ny masinina ny olona izay tsy nanampo velively fa nisy loza niseho teny an-toerana. Efa maraina tany amin’ny 5 ora, efa mazava ny andro, vao samy gaga ny mpandalo. Rehefa nojerena ny razana dia nisy ireo nilaza fa somary namofona toaka ity namoy ny ainy ity. Lehilahy tokony ho eo amin’ny 58 taona eo ity olona ity. Na dia tsy maro loatra aza ny fiaran-dalamby mivezivezy eto amintsika, dia mahavariana hatrany ny mahare olona voahosy sahala izao. Alaim-panahy ny rehetra hilaza fa karazana famonoan-tena no misy fa tsy loza tsy nampoizina.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser