- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Lehilahy tsy hita telo andro, maty tao anaty rano

Ambohijanaka : Lehilahy tsy hita telo andro, maty tao anaty rano

Omaly tokony ho tany amin’ny 1 ora tany ho any no nahitana ny fatina lehilahy iray, 40 taona teny amin’ny toerana antsoina hoe Marerano Ankasina any amin’ny fokontany Ambohijanaka. Kisendrasendra ihany no nahitana ny fatin’ity olona ity. Ankizy maromaro nilomano teo amin’ilay karaza barazy nanao ankiletika no nahatsapa, fa misy zavatra hafahafa tany ambany rano tany. Nampandre ny olona manodidina ireo ankizy ireo. Niezaka nampiakatra ny razana teny amin’ny sisiny ny olona. Tamin’izany no nahalalana fa olona mipetraka tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambatofolaka fokontany Ambodiakondro Ambohijanaka ity maty an-drano ity. Tsy nisy ratra hita tamin’ny tenany. Ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana nijery ny razana no nilaza, fa mbola misy fofona toaka tamin’ilay olona. Araka ny vaovao voaray dia ny sabotsy lasa teo izy no nanomboka tsy hita. Tamin’izay fotoana izay, niaraka tamin’ny vadiny ity lehilahy handeha hody tamin’ny 7 ora hariva. Niteny izy fa hivily lalana kely dia lasa ramatoa. Ny vaovao hatrany no ilazana fa rehefa hamonjy fodiana ilay lehilahy dia niampita ilay barazy. Tsy tafita anefa izy. Misy toerana lalina anefa eo ary ankeviny latsaka tany izy ary tsy tafapoitra intsony.

Rehefa nandinika ny razana ny tompon’andrikitra, dia nofehezina fa fahafatesana an-drano tsotra no nahafaty an’ity lehilahy ity. Na izany aza, misokatra ny fanadihadiana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici