- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Naolan’ny mpanafika ny vehivavy iray

Ambohijanaka : Naolan’ny mpanafika ny vehivavy iray

Mila fisafoana matetika fa mitady hanao izay danin’ny kibony ny jiolahy.

Sady voaolana ny olona no voatafika. Habibiana tsy roa aman-tany toa izany no nitranga tany Ambohijanaka. Valo lahy mirongo basy no tompon’antoka. Nidiran’ireo an-keriny tao amin’ilay tokantrano ary rehefa norahonana tamin’ny basy ny tao anatiny dia tsy nisy afaka namaly intsony. Teo dia nibata izay zakany ireo olon-dratsy no sady naka izay vola tao an-trano koa. Fa tsy vitan’izay fa mbola nanampatra ny habibiany koa ireo talohan’ny nialany ny trano. Naolana ny vehivavy iray mbola tanora. Rehefa vita izay dia nifindra tamin’ny tokantrano iray hafa teo amin’ny manodidina teo ireo. Raha natotaly dia trano telo no voatafik’ity andian-jiolahy ity tao anatin’ny alina iray. Midika izany fa nanam-potoana tsara izy ireo nanaovana ny asaratsiny. Ny tranga toa izao dia mbola manamarina hatrany fa misy ny asan-jiolahy any anaty tanàna any. Raha ny eritreritry ny maro mantsy dia mandry ny fahalemana rehefa samy mihiboka ny olona. Mangina rahateo ny alina ankehitriny noho ny fepetra toa ny « couvre-feu » sy ny hafa. Ny eny amin’ny arabe sy ny lalam-pirenena izay fa ny any anaty tanàna kosa dia toa mainka aza manamora ny asan-jiolahy ny fahanginana. Dikan’izay dia ilaina ny fanaovana fisafoana hatrany ny kartie sy ny tanàna na dia mangina aza. Iaraha-mahalala ny fahasahiranan’ny olona amin’izao vanim-potoana izao ary mampivarina ny sasany ho lasa jiolahy. Eo ihany koa anefa ireo izay efa jiolahy hatramin’izay ary manohy ny asany izay toa mihamora aza noho ny fihibohana. Manaporofo izany ity nitranga teny Ambohijanaka ity ka nahafahan’ireo valo lahy nitety trano sy nanatontosa ny filan-dratsiny. Tsy tokony ho variana amin’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana fotsiny eny amin’ny arabe sy ny lalam-pirenena ny mpitandro ny filaminana fa tohizana hatrany ny fisafoana izay efa nahazatra hatrizay. Raha mbola miampy ny tsy fandriam-pahalemana koa ny adin-tsain’ny olona amin’izao andro sarotra izao dia asa fotsiny. Rariny loatra raha ampiana ny fiarovana ny ain’izy ireo sy ny fananany fa tsy variana amin’ny ady amin’ny Covid-19 irery ihany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici