- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Raikitra indray ny fifampitifirana

Ambohijanaka : Raikitra indray ny fifampitifirana

Niainga tamin’ny fampitan’olona vaovao mahakasika ny fikononkononana hanafika ny raharaha. Tonga teny am-pototsofon’ny zandary ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy ny feo fa misy efa-dahy hafahafa fihetsika ary toa miomana ny handroba. Natao tokoa ny fanaraha-maso sy ny velam-pandrika. « Nandalo ny toerana niandrasan’ny zandary azy ireo jiolahy ka vantany vao nahita izany dia vaky tady nirifatra. Tsy namelan’ny zandary fa nokarohina ihany ka teo Marirano, fokontany Ambodiakondro, kaominina Ambohijanaka dia nifanehatra indray. Na dia nampitandremana hijanona aza dia tifitra no navaliny ka nampiseho ny fahaiza-manao ireo zandary », raha araka ny fampitam-baovao. Lavo tao anatin’izany fifampitifirana izany ny iray tamin’ireo olon-dratsy izay nitazona poleta efa voakiky ny laharana ary manana bala 7,65 mm. Mbola karohina ny namany hafa. Raha araka ny fanazavan’ny zandary dia tafiditra ao anatin’ny asa fampandrian-tany ao Andoharanofotsy sy ny kaominina manodidina azy, indrindra fa Ambohijanaka ity natao ity. Io tanàna io tokoa dia isan’ny mampiferin’aina ny mponina ao anatiny ny tsy fandriam-pahalemana. Mbola hitohy ny hetsika fanenjehana ireo olon-dratsy, raha ny fanampim-panazavana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici