- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Vaky fasana sy halatra taolam-paty, karandoha 9 no very

Ambohijanaka : Vaky fasana sy halatra taolam-paty, karandoha 9 no very

Misoko mangina ! Na dia somary nangingina aza izany tato ho ato dia mbola nahenoana foana tetsy sy teroa. Tsy inona izany fa ity resaka vaky fasana sy halatra taolam-paty, izay mbola tsy fantatra hatreto aloha hoe, mankaiza izany ary atao inona ? Ny alarobia lasa teo dia nisehoana vaky fasana indray teny amin’ny faritra Ambohijanaka Gara iny. Fasana iray no vaky tao amin’ny fokontany Soanavela. Nampandrenesina avy hatrany ny tompom-pasana ary tonga teny an-toerana. Tamin’ny fizahana izay mety ho nafitsok’ireo olon-dratsy tao no nahafantarana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, fa taolam-balo maromaro no tsy hita. Raha atotaly dia karandoha miisa teo amin’ny sivy teo ary taolan-dava nahatratra 76 no very. Ny nahavarina tamin’ity tranga iray ity, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana, dia tsy vitan’ny nalaina ireo taolambalon’ireo razana efa maina fa mbola nopoirina sa notiliana ihany koa ny an’ireo mbola lena. Raha ny fantatra mantsy dia toa notatahana tamin’ny zava-maranitra izany avokoa ireo razana lena ireo. Teo amin’ny faritra nisy ny karandoha sy ny misy ireo taolan-dava. Asa raha hoe, nahafahan’ireo tsy valaharana nijery angamba hoe, efa azo alaina sa tsy mbola. Na izany na tsy izany dia efa nandray ny andraikiny ireo zandary eny amin’iny borigady Andoharanofotsy iny tamin’ny alalan’ny fanokafana ny fanadihadiana, sy hitadiavana ireo mpangalatra taolam-paty.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici