
Tsy mahagaga, hoy ny tompon’andraikitra raha miparitaka any amin’ny jiolahy ny basy
Noho ny vela-pandrika nataon’ny polisy avy ao amin’ny “section N°6” avy ao amin’ny “Brigade criminelle” dia olona roa no voasambotra tetsy Ambohijatovo raha saika hivarotra basy. Ilay voalohany dia lehilahy izay voalaza fa miaramila efa misotro ronono ary nitondra ny grady Commandant. Ilay faharoa kosa dia vehivavy vadina kolonely. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny polisim-pirenena dia basy mahery vaika no sady fitaovam-piadiana fampiasan’ny mpitandro ny filaminana avokoa ireo tratra teny amin’izy ireo .
Basy roa sy bala 11 no tratra teny amin’ireto olona ireto. Ny iray basy “ revolver” marika Colt, ary mitondra ny laharana F 91 757 vita avy any Frantsa miaraka amin’ny bala 4. Ny basy faharoa kosa dia “ pistolet automatique Mac 35 calibre 7,65mm. Ity basy iray ity dia nofafana ny tena laharana ary nosoloina 6633, raha toa ka manomboka amin’ny litera A ary miafara amin’ny tarehimarika 1 ny laharana tena izy. Bala 7 kosa no niaraka tamin’ilay basy Mac 35. Ny dimy dia « lotissement Sfi 81 », ny roa kosa dia lotissement 11;97.
Omaly moa no natolotra ny Fitsarana ireto olona roa ireto, izay nilaza fa tany amina olona mipetraka any Ambalavao no nahazoany ny basy ary efa maty io olona io. Fitazonana, sy fivarotana ary fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ara-dàlana no vesatra anenjehana azy ireo. Nahazo fahafahana vonjimaika izy roa raha araka ny vaovao azo farany. Vaovao izay tsy nankasitrahan’ny pôlisy loatra, satria amin’izy ireo dia tafapetraka avokoa ny vesatra nanenjahana : tratra ambodiomby, trafikam-basy, fanakorontanana anaty (atteinte à la sûreté intérieure de l’Etat).
Aina R.