Mba tsy nisy ny aina nafoy, na koa naratra. Saingy maro kosa ny fiara samba vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana. Manodidina ny tamin’ny valo ora sy sasany teo no tapaka “frein” ny taxi-be iray; izay hidina an’Ambohijatovo. Namantana tany amin’ny fiara maro izay teo anoloany izy. Tao anaty fidinana rahateo no nitrangan’izany, hany ka nihamafy hatrany ny fandehan’ilay fiara. Fiara enina no indray nisy fahasimbana vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity, ankoatra ny fitohanana be naterany.
D.R