Tsy fantatra mazava izay tena antony fa ny tsikaritr’izay efa voa dia avy any Ambohijatovo ambony no milatsaka ny vato ary tena kendrena hifanandrify amin’ny fiara mihitsy. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany omaly no nisy fiara nandalo tsotra teo an-toerana, izany hoe alohan’ny hidirana ny tonelin’Ambanidia, ary nirefotra tanteraka teo amin’ny fitaratra ny vato. Teo ihany dia efa hita fa potika tanteraka ny “pare-brise”. Voatery nijanona ela mihitsy ary nanala an’izany, izay vao afaka nanohy ny lalany ilay fiara, ny antony dia satria tsy nisy na inona na inona hita intsony avy ao anatiny. Tsy hita izay hotoriana na hosamborina satria tsy fantatra mazava izay niavian’ny vato na koa ny olona nanipy azy. Dia niala maina teo an-toerana fotsiny ny tompon’ny fiara. Isan’ny bizina mandeha be ao anatin’ny tambajotra sosialy koa amin’izao fotoana ny varotra “pare-brise” na koa ny fanoloana izay simba. Na tsy ireo “original” aza dia misy mahavita ny manapaka azy ary toy ny mitovy. Soa fa mba efa misy an’izany angamba, satria dia “sachet” no sisa azo apetaka eo amin’ny fiara tsy misy “pare-brise” raha toa ka tsy nisy izany. Na izany aza dia mbola an-tapitrisany maromaro no aloa vao vita ny fitaratra. Izany dia noho ny hetraketraky ny olon-tsy fantatra.
D.R