Amin’ny andro atoandrobe, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany omaly no nisian’ny fanendahana mpitaingina scooter tetsy Ambohijatovo. Raha araka ny fantatra dia natao izay nianjeran’ilay fitaovana ary rehefa avy eo dia nisy ekipa hafa indray nanao ny fanendahana. Izany hoe nizara roa ireo andian-jiolahy ka ny voalohany dia nanao izay nianjerana fotsiny. Ny faharoa kosa dia mody nanavotra ilay olona mpitaingina indray kinanjo ireo efa mpanendaka ihany koa. Poa toa izay dia lasa avokoa ny entana teny amin’ilay olona. Isan’izany ny finday, ny paoketra fitoeram-bola sy izay mora nentina sy nendahina. Rehefa nisy ny fitsoahana vao tonga saina ireo nahita fa hay olon-dratsy ireo mody nanavotra taorian’ny fianjerana tamin’ny tany. Ny tranga toa izao dia manambara fa mivoatra amin’ny endrika maro ny fomba fanatontosan’ny olon-dratsy ny asaratsiny. Efa lasa orinasa kely mihitsy izy ireo ary misy ny mpikotrika fotsiny ny asa atao, ny mpandrindra ary koa ny mpanatontosa. Mila arahin’ny mpitandro ny filaminana hatrany ary raisina an-tanana mba hampidirina ao anaty fiofanana izany fiovan’ny endriky ny asaratsy izany raha toa ka tena misy ny finiavana hanohitra azy ireo. Tsy vahaolana intsony ny hoe tsy ampy an’isa sy izay mety ho antony hafa. Ireo no misy dia mila ampiasaina amin’ny paik’ady maty paika sy manaraka ny fivoaran’ny fisehoan’ny asaratsy…
D.R