Tany anatin’ny trano tany, manakaiky ny toeram-pivoahana iray no nisy nahita ny « sachet » miloko mainty izay nisy karazan-javatra niendrika baomba tao anatiny. Izany dia tao anatin’ny fotoana nanaovan’ny mpiasan’ny Jirama fitokononana mihitsy, manodidina ny tamin’ny mitataovonona. Ny mpiambina no naka izany tao ka namoaka azy. Niarahana nijery teo ary hita avy hatrany fa baomba sandoka, nentina nanakorontanana fotsiny no tao anatiny. Naneho ny heviny avy hatrany i Oliva Andriamanalina – mpitari-tolon’ny Jirama no sady filohan’ny « intersyndical » eo anivon’ity orinasam-panjakana ity – ka nilaza fa fomba fanaon’ny sasany entina hanenjehana olona sy handravàna ny tolona iny tranga iny. Noraisiny ohatra tamin’izany ny nahazo an’i Berija izay nolazainy fa nanipazana rongony tao an-tranony mba hoentina hanagadràna azy. « Tsy mihemotra amin’izany ny mpitolon’ny Jirama ary mainka aza handroso kokoa » raha araka ny fanazavan’i Oliva Andriamanalina hatrany. Nitohy tokoa ny hetsika tetsy Ambohijatovo na dia teo aza izany rehetra izany. Ny niova kely tamin’ny omaly dia ny nisian’ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo-Reg izay tonga vao maraina teny an-toerana ka nahatonga ny mpitolona ho mailomailo, indrindra koa nampian’ny fahitàna ilay harona mainty tao anatiny. Nitohy ihany ny tolona omaly ary raha ny fijerin’ny mpandray anjara azy dia endrika fampitahorana fotsiny ihany no nitranga, indrindra koa raha nisy ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana teo ivelany teo ka niatrana teo an-toerana.
D.R