- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Nisy naka vidéo ny mpangarom-paosy

Ambohijatovo : Nisy naka vidéo ny mpangarom-paosy

Hita amin’ny antsipiriany tanteraka ny fihetsiny sy ny fanaony. Lehilahy manao kasikety sy arovava ary mitondra kitapo no tompon’antoka. Tsy maloto velively ny fitafiany ary tsy dia ampoizina velively raha ny asany dia ny fanaovana harom-paosy izany. Eo amin’ny fiantsonan’ny zotra 119 eo Ambohijatovo no « biraony ». Ny tena fidirany an-tsehatra indray dia mandritry ny ora maha-betsaka olona eo an-toerana mba haka fiara fitaterana iombonana. Mifangaro amin’ny olona eo izy ary eo no hangaronany ny paoketra na ny kitapon’ny olona. Ao anatin’ny fotoana fohy dia vita izany ary indraindray dia mampanontany tena ny tsy hahenoan’ny olona ny tanany izay mivezivezy. Nisy naka horonan-tsary avy ato aoriana tamin’ity indray mitoraka ity ilay mpangarom-paosy. Tsy sahiny ny nisambotra ilay olon-dratsy noho ny tahotra ny ainy. Tsy ifanomean-tsiny ihany izany ankehitriny satria raha ny fahafantarana ny fiasan’ireo olon-dratsy dia miasa ao anaty tambajotra izy ireo fa tsy mandeha irery. Azo heverina fa efa misy mitily eo amin’ny manodidina ary misy koa ny manampy ilay mpidina an-tsehatra miara-mifangaro aminy ao mba tsy hahatsapan’ny olona ny harom-paosy. Izany hoe raha sendra hisambotra dia mety maromaro ireo olon-dratsy no mifampiaro. Hatreto, raha ny tsikaritra hatrizay dia ny fisian’ny polisy manao fanamiana sivily ihany ary manara-maso ny fihetsiky ny olona ahiahiana no tena mahomby amin’ny ady amin’ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka. Mila hamafisin’ny tompon’andraikitra izany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici