Hatramin’ny ora farany, tafiditra teo Ambohijatovo ireo mpanao fihetsiketsehana an’arivony maro. Anisan’ny nitarika ny fahatongavana teny ireo olona marobe avy any Imerintsiatosika notarihan’ny Ben’ny tanana avy any an-toerana. Namakivaky ny avy any Imerintsiatosika, Fenoarivo… Anosibe, Anosy ary Ambohijatovo. Tsy voasakana mihitsy izy ireo raha tsy teo Andohan’Analakely, izay nikasa hidina eny amin’ny kianja 13 may. Andaniny, ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin’ny Gen Z sy ireo tarika hafa nanomboka teny Antaninandro. Tazana teny an-toerana ny « influenceurs » maro, ny mpanakanto sns. Ireo nivonndrona nikasa ho eny Ambohijatovo , saingy noravan’ny mpitandro filaminana avokoa . Nahemotra ireo olona kanefa niverina tsy niala mihitsy. Tonga teny Ambohijatovo ihany koa n’y farany. Niasa mafy ny mpitandro filaminana nandrava azy ireo. Nifanenjehana teny Ambohijatovo, Ambatonakanga, Faravohitra sns. Tsikaritra fa lany ireo fitaovana fanaparitahana olona ka naka fanampiny hatrany ireo mpitandro filaminana. Etsy ankilany, miverina sy manohitra hatrany ireo mpanao fihetsiketsehana. Mitaraina ny olona amin’ny hamafin’ny fampiasan-kery ataon’ny mpitandro filaminana. Misy ny zazakely sempotra tamin’izany ka voatery naiditra hopitaly tao amin’ny Ostie. Nahazo fitsaboana ihany ilay Zazakeky io. Téo ihany koa ireo tafiditra tany anaty trano fivarotana sy tranon’olon-tsotra. Nisy Zaza hafa koa tamin’izany. Nitaraina ireo noho izany ary niantso vonjy amin’ny zavatra nahazo azy. Hatramin’ny hariva nandrava foana ny mpitandro filaminana. Niharitra koa ireo mpanao fihetsiketsehana hatramin’ny farany. Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana ny alina. Asa hanao ahoana ny tohiny anio….
Yv Sam