Nirefotra nifanelanelana ireo poa-basy, manodidina ny tamin’ny 11 ora alina teo, ny asabotsy teo. Samy naheno izany avokoa ny mponin’Ambohijatovo sy Faravohitra ary nanamafy ny hidin-trano raha naheno ny fipoahana nanakoako. Rehefa nohamarinina ny zava-nitranga dia nilaza avokoa ho samy naheno ny teo amin’ny manodidina saingy tsy nisy nahafantatra ny antony. Vitsy ihany tokoa ny olona ny sahy mivoaka amin’ny poa-basy izany, hany ka ny maraina vao samy mifampanontany.
D.R