- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Rangahy 56 taona novonoin’ny vinantony, miady amin’ny fahafatesana

Ambohijatovo : Rangahy 56 taona novonoin’ny vinantony, miady amin’ny fahafatesana

Zava-doza no nitranga teny amin’iny faritra Ambohijatovo iny omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora teo .Rangahy sahabo eo amin’ny 56 taona eo no miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly HJRA amin’izao fotoana izao . Ny loharanom-baovao hatrany  no nahafantarana fa ny vinantolahiny ihany no nahavita namono ity rafozan-dahiny . Araka ny Vaovao voaray dia voalaza fa nisy ny fifamaliana mahery teo amin’ny roa tonta ka avy hatrany dia niafara tamin’ny fifamonoana . Fantatra fa zavatra maranitra no namelezan’ity vinanto ity ny rafozany, izay efa antitra ihany. Efa tsy dia mafinkahazo firy izy ireto ka izay vao raikitra ny ady sy ny fifamonoana . Tsy nahazaka anefa ity farany ka avy hatrany dia nandray zavatra mba hamelezana ity rangahy . Tsy noraharahainy na dia efa zokiolona  sady rafozany aza ity rangahy ity fa dia novelesiny avy hatrany . Tsy nahatsiaro tena intsony ity rangahy antitra ity rehefa avy novelesina  ka nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Hjra etsy Anosy  mba ho tsaboina haingana. Efa nahazo taona ihany  moa izy ity ka sarotra  ny fitsaboana . Voalaza fa maro ny vola izay ilaina  hanohizana sy hividianana ny fanafody. Ity vinanto nahavanon-doza kosa tsy hita poapoaka.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici