- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Scooter raitra halatra saron’ny polisy

Ambohijatovo : Scooter raitra halatra saron’ny polisy

Tsy misy kodiaran-droa ratsy na ny iray aza tamin’ireo tratra tao an-tranon’ireo olon-dratsy. Niainga tamin’ny fisamborana ny iray tamin’izy ireo aloha ny raharaha rehefa nahazo vaovao ny polisy misahana ny boriborintany faharoa momba ny mpangalatra moto. Nandeha ny fanadihadiana ary nanondro ny mpiara-miasa aminy ihany ilay olon-dratsy tao anatin’izany. Tany amin’ny toerana ivelan’ny renivohitra no fampirimana ny moto halatra. Nahazo alàlana avy amin’ny fampanoavana ny amin’ny hisavàna izany ary dia tena nahitam-bokatra tokoa izany ho an’ny fanadihadiana. Feno moto tsara tarehy tao amin’ilay toerana. Sady tsara tarehy no ireny lafo vidy ireny raha “scooter” no resahina. Ny tompon’ilay trano no mpividy ny entana halatra ary mpaniraka ilay lehilahy voasambotra voalohany, amin’ny fanatontosàna an’izany. Io mpanatontosa halatra io indray dia hita tamin’ny fanamarinana ara-pitsaràna fa vao herinandro lasa izay no nivoaka ny fonja rehefa nahavita sazy. Mbola resaka halatra moto hatrany no nampigadra azy. Nogiazana ao amin’ny komisaria ao Ambohijatovo-Ambony aloha ireo kodiaran-droa mandra-pahatongan’ny olona izay mitondra taratasy fanamarinana fa azy ny entana. Ireo izay efa nametraka fitoriana teny amin’ny polisy noho ny fahaverezan’ny moto dia efa nisy sasantsasany nanatona teny ary voaporofo fa azy ny moto ka naverina aminy. Ny lesona azo tsoahina dia tsara hatrany ny mitazona ny laharan’ny moto izay miraikitra amin’ny moterany ary koa ny taratasy mifandraika amin’izany. Manaraka izay, tsara hatrany koa ny mametraka fitoriana rehefa very kodiaran-droa. Tamin’ity raharaha ity dia nisy Kymco G6, Racing, Cygnus ary hafa koa tamin’ireo moto. Izany hoe ireo azo lazaina ho raitra raha scooter no resahina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici